<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Valborg Anderssen</author>
<lyrics>[V1]
 Jeso, Loharanon'aina,
 Jeso, Masoandronay !
 Izao ny fonay mitaraina,
 Mba velomy izahay !
 O, savao ny zavon-tany
 Ao am-pandehananay,
 Dia Hianao ihany
 No ho Masoandronay.

[V2]
 Jeso, Mofon'aina soa,
 Mba vokiso izahay,
 Jeso, Làlana tokoa,
 Mba tariho izahay !
 Alfa sy Omega tsara
 Hianao, Mpamonjinay ;
 Teny soa manambara :
 Jeso no fiainanay.</lyrics>
<title>Jeso Loharanon'aina FFPM459</title>
<hymn_number>459</hymn_number>
</song>